<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Jeso hany iriko FFPM457</title>
<lyrics>[V1]
 Jeso hany iriko
 Loharanon'aiko
 Sy Sakaiza soa !
 Mamiko indrindra
 Ny ho tafafindra
 Any Aminao,
 Na dia toa takona,
 Hianao ao an-tsaiko,
 Sady tohan'aiko.

[V2]
 Loza tsy misava,
 Sento lalandava
 No mitranga izao ;
 Notrotroiny aho,
 Ka ny fahavalo
 Tsy mahazo ao.
 Na be aza ny manjo,
 Tsy ho kivy ny fanahy,
 Jeso mbola ahy.

[V3]
 Ny haren'ny tany,
 Na dia tsara ihany,
 Tsy ahoako ;
 Hianao irery
 Lova tsy ho very,
 Reharehako !
 Ka na fahoriam-be
 No mihatra amin'ny aiko,
 Hianao tsy foiko.

[V4]
 Raha ao am-poko
 Hianao, ry Tompo,
 Ka manjaka ao,
 Ireo ahiahy,
 Nahavalaka ahy,
 Dia afakao,
 Na mavesatra entana
 Hianao no antenaiko
 Sady Tohan'aiko.</lyrics>
<hymn_number>457</hymn_number>
<author>L.M. Linderman</author>
</song>